Saturday, February 10, 2007

Malagasy aty Nouvelle Orleans,

Outreach aty Nouvelle Orleans,

18 andro izao no nahatongavanay teto Nouvelle Orleans,
Manaitra ny saina ny fahintana ny toerana maro izay rava sy mbola tsy nisy fanamboarana hatramin'izao na dia efa mihoatra ny herintaona sy tapany aza no nandalovan' i Katrina sy Rita teto.
Raha ny eritreritro manokana @ maha-Malagasy ahy dia toa tsy mampino hoe mbola toy izao ihany ny fandronson'ny fanarenana ny tanana satria toa vao omaly no nandalo ny rivo-doza amin'ny toerana sasany. Ary ny sary ato anatin'ny saiko dia hoe firenena matanjaka ity firenena ity, ary voalohany amin'ny tanjaka ara-ekonomika, kanefa tsy hita taratra izany amin'ny toerana sasany eto Nouvelle Orleans. Mbola betsaka ny fako miangona eny an-tsisin-dalana, ny trano rava tsy misy fanamboarana. Lasa ny fisainana hoe aiza ilay fanjakana matanjaka sy manam-bola hanaovana izay tiany hatao rehetra. Mandany vola be tokoa ity firenena ity @ zavatra ataony any ivelany sy ny fandraisany anjara @ ady etsy sy eroa, fa aiza ny fanampiana hanarenana ity tanana ity? Tsara ho marihina fa tsy ity toerana ity irery akory no rava vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza fa misy tanana sy toerana hafa fa tsy hitako maso.
Mazava be fa na dia manan-karena aza i Etats-Unis dia tsy mahavita manarina ity tanana ity haingana araka ny tombatombana. Mbola mety hatrany @ 10 taona any ny fanarenana vao ho vita raha izao no mitohy.

Mila an'Andrimanitra ity tanana ity, ary faly aho, satria anisan'ny olona mandray anjara @ fanarenena, faly satria misolo tena ny Malagasy, indrindra fa ny Malagasy misionera, satria mety misy Malagasy hafa manolotena ihany koa any fa tsy hitako.
Ny zavatra tsapako dia tena marina fa Andrimanitra no ilain'ny olona aty ary rehefa mitsidika ny tokan-trano aty izahay dia tena misokatra ny olona rehefa miresaka an'Andrimanitra izahay.
Avy @ faritra maro ny olona manao "volontaires", tsy mandray karama fa manolo-tena hanarina ny trano simba, ary mahavariana ahy ny fisainana mifanampy aty satria avy any amin'ny toerana lavitra ny ankamaroan'ireo manolo-tena, mandoa ny saran-dalany hankaty ary miasa maimaim-poana, tsara halaina tahaka ho antsika izany toe-tsaina izany.
Tsy hoe tsy misy atao akory ireo olona ireo na koa hoe manakarena be ka mandany vola mandehandeha aty fa te hanampy dia tonga. Toy izany koa ny School Of Worship izay misy ahy, amin'izao fotoana izao, te hanompo aty izahay satria te ho fitahiana ho an'ny olona aty, ka mandany vola sy fotoana mba hitory an'i Jesosy sy hampahery ny olona.
Tamin'ity herinandro ity dia nisy ramatoa iray novangianay, ary tsy nijanona nitomany izy nandritra ny 20 minitra niresahany tamiko sy Kelly mpiara-mianatra amiko. Maty ny rainy fotoana vitsy talohan'ny Katrina ary maty ny vadiny fotoana vitsy taoriana ny fandalovan'ny rivo-doza. Iray andro monja hoy izy dia very daholo ny fanany rehetra tsy nisy tavela satria difotry ny rano tanteraka ny tranony. Narary vokatr'izany ny vadiny ka maty satria nalahelo loatra. Tsapako hoy izy fa misy Andriamanitra satria tsy kristiana ilay ramatoa, ary noho ny herin'Andrimanitra no mahatoy izao ahy hoy izy satria mety efa maty koa aho raha ny fahoriana izay nanjo ahy no jereko.
Voakasika manokana izy rehefa nolazaiko hoe avy any Madagasikara aho, ka latsaka indray ny ranomasony sady niteny izy hoe olona avy @ firenena maro no alefan'Andrimanitra hanampy anay aty hoy izy ka tena misaotra ary misaotra an'Andriamanitra.

Misokatra ny varavarana ho an'ny Malagasy misionera. Tsapako izany ary tsy nofinofy fa efa mitranga, handeha eran'izao tontolo izao ny Malagasy hitory sy hanambara ny fahatsaran'Andriamanitra. Ho avy tsy ho ela.
Tsy ny vola no sakana, fa rehefa vonona isika dia Andrimanitra no manokatra ny lalana.

Narilanto.

Thursday, February 08, 2007

New Orleans, and God's work...

We have been in New Orleans for 15 days now.
It is sad to see the city devastated and some quarters were immersed completely, everything was lost and some houses even floated, because the water was to much.
Many people live in trailers waiting for their house being rebuilt, and some others are living in temporary houses.
Some places are not seriously damaged but, when the hurricane hit many parts of the city were under water, because most of those quarters are below the see level, and the lake on the North made a big flood in the whole city.

We are here working volunteering with the Salvation Army, most of the time we do home visit, checking how are the families doing, checking out if the progress of the houses that were accepted to get grants.
We talk to those people and they explain what happened and what do they still need to complete the house. Then we pray for them, and it's really exciting to see people encouraged by our prayers and our presence on the field.

Yesterday, it was intense, we met this lady and she didn't stop crying all the time, when me and my friend Kelly talked to her. She had lots of losses, her dad few times before , her husband after the hurricane, her houses and everything in it was gone in just one day, all the memories. She said God exists because normally she couldn't cope but because of God she can handle it. She recognized that people from everywhere came to help out and even from all around the world, then I said to her that I am from Madagascar and she couldn't stop crying again. She was really touched, encouraged by our prayers and also we comforted her after that.
It was intense.

God is working in here, and He is watching over the situation.

I am grateful to God that I am representing Malagasy missionaries here in this city, as we are starting to mobilize Malagasy Christians in our ministry back home, to go and preach the Gospel to all nations, to be missionaries.
I feel that it is already starting to take place.

Be blessed.
Narilanto.

Wednesday, January 31, 2007

Outreach in New Orleans, January 2007

We arrived the 22nd of January.
The Salvation Army is receiving us, giving us accommodation and food, we are working with a branch called Katrina Aid today. We had orientation for a couple of days and we were told that we are representing the Salvation Army doing interviews to the people who lost their houses. Some contractors got loans from the Salvation Army and we are checking if the house have been rebuilt as they should be. On Saturday we worked with a branch of the Red Cross, and we did interviews with people living in trailers provided by FEMA which is a federal Agency. People who lost their house live temporarily in those trailers waiting for housing assistance and our job is asking the a bunch of questions in a form asking them for "needs assessments", what do they need and where are they now, it was pouring raining all the afternoon, we were soaked wet but it was fun visiting those people and asking them questions, some of the questions were tough to ask but that's the job. This week we did some paper works and computer works at the office of the Salvation Army. Today it was a great time because we went down town and did a survey to the homeless people. They get food assistance in a place called "Ozanam inn". It was one of those unforgettable experience. For me it was not easy but I tried, and could manage because the accent here is different than what I am used to and also those homeless people had hard times which makes them a little difficult to talk to. We had forms and we asked them about how long they have been on the street, what are their needs and lots of questions. It was really sad to know that one of the guys was coming to help out during Katrina and he lost everything and he became one of the homeless people.
Life is sad sometimes and it is obvious that you can lose everything in just one day, it is because of God's grace that I am who I am today, same for everyone of us.
We are just starting to work but lots is yet to come.
We pray for this city and for the homeless people as we are here, we believe that God is working and our presence here will make a difference.
I will keep sending news as time goes on.

Be blessed.

This is the part which was devastated by Katrina, still in a mess, 9th Ward, sad but reality.





Down town New Orleans, I took those pictures by the way, I love taking pictures




Beautiful city,





The beauty of New Orleans





Monday, January 29, 2007

Graduation SOW Montana fall 2006



Wednesday January 17,
We are just graduated after 4 months of lecture phase in YWAM Montana, School of Worship fall 2006.
It's sad that some of us will go home, but the good news is most of us are going on outreach.
Smile everybody !!

Saturday, January 13, 2007

Mitazona ny finoana sy mianatra faharetana

Inona moa no antony hanaovana itony ecole itony?
Ao anatin'ny fanomanana ny vision napetraky ny Tompo ato anatiko aho, ka mila manana fototra mafy orina sy fahalalana ampy mialoha izany.
Mila fiofanana sy fianarana anefa izany fa tsy vita vetivety.

Hampivelatra ny fiderana aty an-tanana no vina ato anatiko, ary inoako fa nofinofin'Andriamanitra ho an'i Madagasikara izany.
Tiako ny handray anjara ao anatin'izany, ary maniry aho ny mba ho isan’ireo izay mandray anjara ho fampivelarana ny fiderana ho an’i Gasikara ka izany no hianarako.
Betsaka no mbola tokony hianarana fa mandeha tsikeliky.

Ity sekoly ity dia azoko lazaina fa dingana voalohany ao antin’ny fiomanana fa mbola mila fianarana hafa aho manampy izay efa nianarako.

Rehefa manokatra varavarana ny Tompo dia tena mahagaga sy mahavariana satria efa 3 taona no niandrasako ity sekoly ity ary efa nisy sekoly hafa ihany koa talohan’izany fa rehefa tonga ny fotoana dia Andrimanitra no miasa ka mahatalanjona ny fiasany.

Tsara Jesosy ary tena mihaino vavaka Izy !!

Indraindray isika toa tsy mahatsapa fa Andrimanitra dia mahita ny zavatra rehetra ary mitantana sy mandamina ny madinika sy ny goavana eo amin’ny fiainantsika.

Eo foana Izy na amin’ny mora na amin’ny sarotra fa indraindray isika toa tsy mahatsapa izany rehefa mafy ny ady ary sarotra ny lalana, nefa rehefa mitahy Izy dia tena mahita isika hoe eo Andriamanitra.

Tsara ny mitadidy hatrany fa eo foana Andriamanitra ary mahita ny fandehan-javatra rehetra na dia toa tsy mamaly vavaka aza indraindray. Ao anatin’ny fotoana sarotra isika vao tena mila Azy ary mangataka Azy hiasa sy hiditra amin’ny zavatra izay manahirana antsika.

Misy zavatra koa indraindray tsy natao ho fatantsika foana fa manana ny misteriny Andrimanitra ka tsy dia ilaina loatra ny mahafantatra mihoatra izay tokony ho fantatra. Mianatra miandry isika isan’andro, mianatra faharetana, ary mitazona ny finoantsika.

Rehefa niteny tamin’i Abrahama Andriamanitra mba handeha, dia nandeha fotsiny izy tany @ tany tsy fantatra, fa Andrimanitra no nitondra sy nitarika Azy. Nampanantena Andriamanitra fa homeny tany tondra-dronono sy tantely Abrahama, hanan’anaka izy na dia efa antitra aza, ary ho maro tahaka ny kintana ny taranany.

Nandeha tamin’ny finoana fotsiny Abrahama, ary nisy fotoana nanampy an’Andriamanitra izy satria toa ela loatra Andriamanitra, ka niteraka an’i Ismaela, nefa nitondra vokatra hafa ny nanaovany izany. Avy eo koa tsy hitan’i Abrahama ny taranany izay nolazain’Andrimanitra fa ho maro be tsy voaisa mialoha ny nahafatesany.

Kanefa amin’izao fotoana izao dia marina fa maro tsy tambo isaina ny taranak’i Abrahama.

Izany dia midika fa rehefa mampanantena Andrimanitra dia tanterahany izany fa isika no tsy mahandry ary isika no maika hahita ny vokatra izao dia izao.

Mianatra faharetana aho izao, ka te hampahery anao koa hoe mahereza raha toa ka tahaka ny tsy mamaly vavaka Andrimanitra indraindray, mamaly vavaka tokoa Izy.

Narilanto.