Saturday, January 13, 2007

Mitazona ny finoana sy mianatra faharetana

Inona moa no antony hanaovana itony ecole itony?
Ao anatin'ny fanomanana ny vision napetraky ny Tompo ato anatiko aho, ka mila manana fototra mafy orina sy fahalalana ampy mialoha izany.
Mila fiofanana sy fianarana anefa izany fa tsy vita vetivety.

Hampivelatra ny fiderana aty an-tanana no vina ato anatiko, ary inoako fa nofinofin'Andriamanitra ho an'i Madagasikara izany.
Tiako ny handray anjara ao anatin'izany, ary maniry aho ny mba ho isan’ireo izay mandray anjara ho fampivelarana ny fiderana ho an’i Gasikara ka izany no hianarako.
Betsaka no mbola tokony hianarana fa mandeha tsikeliky.

Ity sekoly ity dia azoko lazaina fa dingana voalohany ao antin’ny fiomanana fa mbola mila fianarana hafa aho manampy izay efa nianarako.

Rehefa manokatra varavarana ny Tompo dia tena mahagaga sy mahavariana satria efa 3 taona no niandrasako ity sekoly ity ary efa nisy sekoly hafa ihany koa talohan’izany fa rehefa tonga ny fotoana dia Andrimanitra no miasa ka mahatalanjona ny fiasany.

Tsara Jesosy ary tena mihaino vavaka Izy !!

Indraindray isika toa tsy mahatsapa fa Andrimanitra dia mahita ny zavatra rehetra ary mitantana sy mandamina ny madinika sy ny goavana eo amin’ny fiainantsika.

Eo foana Izy na amin’ny mora na amin’ny sarotra fa indraindray isika toa tsy mahatsapa izany rehefa mafy ny ady ary sarotra ny lalana, nefa rehefa mitahy Izy dia tena mahita isika hoe eo Andriamanitra.

Tsara ny mitadidy hatrany fa eo foana Andriamanitra ary mahita ny fandehan-javatra rehetra na dia toa tsy mamaly vavaka aza indraindray. Ao anatin’ny fotoana sarotra isika vao tena mila Azy ary mangataka Azy hiasa sy hiditra amin’ny zavatra izay manahirana antsika.

Misy zavatra koa indraindray tsy natao ho fatantsika foana fa manana ny misteriny Andrimanitra ka tsy dia ilaina loatra ny mahafantatra mihoatra izay tokony ho fantatra. Mianatra miandry isika isan’andro, mianatra faharetana, ary mitazona ny finoantsika.

Rehefa niteny tamin’i Abrahama Andriamanitra mba handeha, dia nandeha fotsiny izy tany @ tany tsy fantatra, fa Andrimanitra no nitondra sy nitarika Azy. Nampanantena Andriamanitra fa homeny tany tondra-dronono sy tantely Abrahama, hanan’anaka izy na dia efa antitra aza, ary ho maro tahaka ny kintana ny taranany.

Nandeha tamin’ny finoana fotsiny Abrahama, ary nisy fotoana nanampy an’Andriamanitra izy satria toa ela loatra Andriamanitra, ka niteraka an’i Ismaela, nefa nitondra vokatra hafa ny nanaovany izany. Avy eo koa tsy hitan’i Abrahama ny taranany izay nolazain’Andrimanitra fa ho maro be tsy voaisa mialoha ny nahafatesany.

Kanefa amin’izao fotoana izao dia marina fa maro tsy tambo isaina ny taranak’i Abrahama.

Izany dia midika fa rehefa mampanantena Andrimanitra dia tanterahany izany fa isika no tsy mahandry ary isika no maika hahita ny vokatra izao dia izao.

Mianatra faharetana aho izao, ka te hampahery anao koa hoe mahereza raha toa ka tahaka ny tsy mamaly vavaka Andrimanitra indraindray, mamaly vavaka tokoa Izy.

Narilanto.

No comments: