Sunday, October 22, 2006

Aty alavitra ny tanana,

Miarahaba anao,

Mandeha be ny fotoana ary efa mihoatra ny iray volana sahady aho no tonga teto Montana. Te hiresaka @ teny gasy mafy fa tsy misy mahay aty amin'ny be kintana aty, de manoratra amin'ny teny gasy no mety ho vahaolana. Hiezaka hanoratra teny gasy.

Tsara Jesosy ary tena faly aho fa zanak'Andriamanitra. Faly aho fa gasy fa no namoronany ahy ary "fier" na mirehareha fa gasy, ary misy tsirony be ny fivoahana tahak'izao satria rehefa tafahoana ny olona avy amin'ny firenena isan-karazany de samy mitantara ny fireneny. Samy mirehareha (tsy hoe matikambo akory fa "fier") amin'ny fireneny ny olona rehetra ary anisan'izany aho aty satria tiako ny fireneko. Misy firenena 20 eo ho eo ny mpianatra tonga mianatra aty amin'ity taom-pianarana ity, ka rehefa tonga ny fotoana fiderana dia tena mientanentana satria efa taratry ny any an-danitra sahady izany, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe : olona avy amin'ny firenena rehetra, ... Jereo ny Apokalipsy 7:9.

Tokony hiova amin'izay ny fomba fijerintsika gasy amin'ny ankapobeny, indrindra fa isika kristiana rehefa miteny hoe "vita gasy", satria ny amerikana de tena mirehareha fa rehefa vita amerikana dia tsara. Koa maninona ny vita gasy no eritreretina hoe ratsy foana?
Tsy resaka hoe mialona ny amerikana akory izany fa isika tsy ho amerikana mihintsy fa gasy ary izany no namoronan'Andriamanitra antsika, koa maninona raha samy miezaka manao zavatra tsara araka ny tandrifiny avy de hiova ny fitenenana hoe vita gasy, ka lasa positif ary hidika hoe tsara izany atsy ho atsy.

Fianarana momba ny fiderana no ataoko aty ka anisan'ny zavatra takiana aminay ny mamoron-kira 1 isan-kerinandro. Rehefa avy eo dia samy mihira ny hirany ao an-dakilasy daholo rehefa talata hariva. Misy 13 izahay no mpianatra ary 5 ny staff. Misy 3 izahay no tsy amerikana. Iray avy any Australie, iray avy any Ruwanda, ary mazava ho azy fa ny iray dia gasy avy any Madagasikara. De variana aho satria tena tanora be daholo ny mpiara-mianatra amiko nefa ry zareo tena manan-talenta be daholo, na mihira na mitendry, samy babany avokoa hoy ny fitenenana. 20 taona ny ankamaroany nefa tena mahay mitendry instrument 2 na telo na mihoatra ary tena mahay mihira daholo. De gaga aho hoe ny gasy ve tsy manan-talenta koa raha manana moyen hivelarana.
Ary raha ny marina aza de manana talenta efa voajanahary ny gasy fa ny fitrandrahana na fampivelarana izany no manahirana matetika noho ny tsy fisian'ny fitaovana. Ny ankizy vavy aty mitendry aponga maro anaka (batterie) ary tena mahay fa tsy manala azy fotsiny, de lasa ny saina hoe ny tovovavy gasy koa ve tsy mba hahay raha nanana aponga maro anaka hatramin'ny faha-keliny.
Raha iverenako ilay hira isaky ny talata hariva dia samy mampiseho ny fahaizany eo daholo ny amerikana satria maro an'isa izy ireo, tsara ny zavatra hataony fa ny gasy koa manana ny mampiavaka azy. Ilay namako iray efitrano amiko moa de milaza hoe : "genuis from Madagascar", izay tsy hadikako sao hoe matikambo, fa aleo manetry tena. Ny azy na ny guitare ampiasaina aza die efa mamono lolo hoy ny fitenena ary miaraka amin'ny fitaovana isan-karazany, fa ny gasy tsotsotra fa tsapany any anatiny any fa misy zavatra tsy hananany izay ny gasy no manana azy. Deraina ny Tompo !!!

Tsy de hoe te hampitaha na mifaninana akory fa mahita zavatra hafa de manjary mametra-panontaniana.
Ny fantatro dia manana talenta ny gasy fa tsy voatrandraka ary matetika aza raha te hivelatra ilay ankizy raha eo amin'ny lafiny mozika no resahako manokana dia bedin'ny ray aman-dreny hoe tsy hinanan-kanina mozika fa ajanony. Tsy mba misy mamporisika ny ankizy te hianatra mozika satria tsy hita izay vokany ary tsy misy asa ho an'ny olona mitendry fotsiny na mihira fotsiny any an-tanana.
Ry zareo moa velona raha mitendry fotsiny ka betsaka ny tena mahay, na mihira "fotsiny" ka tena mahay. Fa isika kosa mba ahoana?
Raha ny faniriako de mba ho fantatra eran'izao tontolo izao hoe izany ny mozika gasy, tahaka ny hoe raha vao maheno "country" de lazaina fa mozika amerikana izany.

Averiko indray fa tsy mampitaha akory fa mba te hanandratra ny an'ny tena sy ny kolontsaina any amin'ny tanana, ka lasa mieritreritra zavatra maro.

Mety gaga angamba ny sasany hoe toa tsy misy resaka ara-pahany izy izany?
Olona no namoronan'Andriamanitra antsika ka mampiavaka antsika ny saina, rehefa mandeha ny eritreritra dia mametra-panontaniana isan-karazany, ny mahafinaritra dia eo Andriamanitra izay nanao ny saina afaka mamaly ny fanontaniana tsy misy valiny.

Mandeha tsara ny fianarako ary tena mahita tsirony aho aty. Tena mahatsapa hoe aty no toerana tian'ny Tompo hisy ahy mandritra ny volana vitsivitsy.

Betsaka ny fahatsaran'Andriamanitra niainako ary tsapako, nanomboka tamin'ny fotoana nialako tany an-tanana ka hatramizao, TSARA NY TOMPO. Tsy resaka fotsiny izany na "theorie" fa marina ary iainako ka ambarako. Rehefa mandeha ny toriteny de hoe tsara ny Tompo, kanefa nisy fotoana tsy nahatsapako izany, hoe tsara ahoana moa Izy. De nivavaka aho hoe asehoy ahy ary ny fahatsaranao, de nasehony ahy izany. Tsy hoe aty aho akory vao mahatsapa izany fa nanomboka tamin'ny fotoana tena nanolorako ny fiainako hotantanan'Andrimanitra ka nananako fifandraisana akaiky Aminy.

Betsaka ny azo lazaina fa ny tiako hambara de hoe afaka mandefa ny tora-ponao ato ianao fa misy toerana ho an'ny "commentaire" ato dia soraty ao ze mba mahafinaritra anao.

Misaotra amin'ny vavaka ataonao ho ahy, fa tena fitahiana lehibe ho izany.

Hotahiana ianao na mivoaka na miditra. Amen.

Narilanto.
Child of God.

1 comment:

tomavana said...

Tsy hamela anao ho irery IZY.
Mahereza fa mbola ho lava ny ririnina.