Saturday, February 10, 2007

Malagasy aty Nouvelle Orleans,

Outreach aty Nouvelle Orleans,

18 andro izao no nahatongavanay teto Nouvelle Orleans,
Manaitra ny saina ny fahintana ny toerana maro izay rava sy mbola tsy nisy fanamboarana hatramin'izao na dia efa mihoatra ny herintaona sy tapany aza no nandalovan' i Katrina sy Rita teto.
Raha ny eritreritro manokana @ maha-Malagasy ahy dia toa tsy mampino hoe mbola toy izao ihany ny fandronson'ny fanarenana ny tanana satria toa vao omaly no nandalo ny rivo-doza amin'ny toerana sasany. Ary ny sary ato anatin'ny saiko dia hoe firenena matanjaka ity firenena ity, ary voalohany amin'ny tanjaka ara-ekonomika, kanefa tsy hita taratra izany amin'ny toerana sasany eto Nouvelle Orleans. Mbola betsaka ny fako miangona eny an-tsisin-dalana, ny trano rava tsy misy fanamboarana. Lasa ny fisainana hoe aiza ilay fanjakana matanjaka sy manam-bola hanaovana izay tiany hatao rehetra. Mandany vola be tokoa ity firenena ity @ zavatra ataony any ivelany sy ny fandraisany anjara @ ady etsy sy eroa, fa aiza ny fanampiana hanarenana ity tanana ity? Tsara ho marihina fa tsy ity toerana ity irery akory no rava vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza fa misy tanana sy toerana hafa fa tsy hitako maso.
Mazava be fa na dia manan-karena aza i Etats-Unis dia tsy mahavita manarina ity tanana ity haingana araka ny tombatombana. Mbola mety hatrany @ 10 taona any ny fanarenana vao ho vita raha izao no mitohy.

Mila an'Andrimanitra ity tanana ity, ary faly aho, satria anisan'ny olona mandray anjara @ fanarenena, faly satria misolo tena ny Malagasy, indrindra fa ny Malagasy misionera, satria mety misy Malagasy hafa manolotena ihany koa any fa tsy hitako.
Ny zavatra tsapako dia tena marina fa Andrimanitra no ilain'ny olona aty ary rehefa mitsidika ny tokan-trano aty izahay dia tena misokatra ny olona rehefa miresaka an'Andrimanitra izahay.
Avy @ faritra maro ny olona manao "volontaires", tsy mandray karama fa manolo-tena hanarina ny trano simba, ary mahavariana ahy ny fisainana mifanampy aty satria avy any amin'ny toerana lavitra ny ankamaroan'ireo manolo-tena, mandoa ny saran-dalany hankaty ary miasa maimaim-poana, tsara halaina tahaka ho antsika izany toe-tsaina izany.
Tsy hoe tsy misy atao akory ireo olona ireo na koa hoe manakarena be ka mandany vola mandehandeha aty fa te hanampy dia tonga. Toy izany koa ny School Of Worship izay misy ahy, amin'izao fotoana izao, te hanompo aty izahay satria te ho fitahiana ho an'ny olona aty, ka mandany vola sy fotoana mba hitory an'i Jesosy sy hampahery ny olona.
Tamin'ity herinandro ity dia nisy ramatoa iray novangianay, ary tsy nijanona nitomany izy nandritra ny 20 minitra niresahany tamiko sy Kelly mpiara-mianatra amiko. Maty ny rainy fotoana vitsy talohan'ny Katrina ary maty ny vadiny fotoana vitsy taoriana ny fandalovan'ny rivo-doza. Iray andro monja hoy izy dia very daholo ny fanany rehetra tsy nisy tavela satria difotry ny rano tanteraka ny tranony. Narary vokatr'izany ny vadiny ka maty satria nalahelo loatra. Tsapako hoy izy fa misy Andriamanitra satria tsy kristiana ilay ramatoa, ary noho ny herin'Andrimanitra no mahatoy izao ahy hoy izy satria mety efa maty koa aho raha ny fahoriana izay nanjo ahy no jereko.
Voakasika manokana izy rehefa nolazaiko hoe avy any Madagasikara aho, ka latsaka indray ny ranomasony sady niteny izy hoe olona avy @ firenena maro no alefan'Andrimanitra hanampy anay aty hoy izy ka tena misaotra ary misaotra an'Andriamanitra.

Misokatra ny varavarana ho an'ny Malagasy misionera. Tsapako izany ary tsy nofinofy fa efa mitranga, handeha eran'izao tontolo izao ny Malagasy hitory sy hanambara ny fahatsaran'Andriamanitra. Ho avy tsy ho ela.
Tsy ny vola no sakana, fa rehefa vonona isika dia Andrimanitra no manokatra ny lalana.

Narilanto.

No comments: