Wednesday, February 21, 2007

Vita ny Outreach taty Nouvelle Orleans, deraina ny Andrimanitra,

OUTREACH ATY NOUVELLE ORLEANS,

Isaorana Andrimanitra fa vita soa aman-tsara ny asa taty.
Salama tsara daholo izahay ary nandeha tsara daholo sady nahafinaritra.

Betsaka ny zavatra nitranga taty nandritra ny iray volana, teo ny asa izay ataonay miaraka @ Salvation Army , mamangy tokan-trano ary miresaka @ fianakaviana mijery ny fandrosoan'ny asa fanarenana ny tranon'izy ireo. Nisy entrepreneurs maromaro nomen'ny Salvation Army vola hanamboarana ny tranon'ny fianakaviana sasany, ka ny anjaranay dia mijery raha mandeha ny asa sady nampiasaina ny vola. Fa ao anatin'izany dia miresaka ny fiainany ny olona nadritra ny fandalovan'i Katrina taty ary betsaka ny mitomany sy mbola maratra vokatr'izany. Mampahery ny olona izahay sady mivavaka ho azy ireo ary mamporisika azy ireo mba hanantona an'Andrimanitra.

Io no tena asa nataonay taty fa nisy fotoana koa izahay niara-niasa t@ Croix Rouge sy ny Habitat pour l'Humanite, nanampy azy ireo t@ asany. Satria mantsy ny asa aty Nouvelle Orleans dia mifantoka @ fanompoana, nianatra izany izahay tany Montana ka mampiatra izany ankehitriny.

Nisy ny mampalahelo hafa dia ny fandalovan'ny "tornado" teto herinandro lasa izay ka nisy ramatoa lehibe iray maty ary maro ny trano rava vokatr'io rivo-mahery io, ary ny tena mampalahelo aza dia trano vao narenina ka vita tanteraka tao aorianan'ny Katrina, kanjo rava fanindroany. Betsaka ny trano rava.
Nisy nahafaly dia ny saison Mardi Gras, carnaval malaza be aty mandritra ny 2 herinandro na mihoatra, ka androny no fety be farany, Talata Matavy.

Hanainga ho any St-Croix izahay rahampitso maraina,

Tsara ny Tompo,
Lehibe ny Tompo,

Narilanto.
God's child.

No comments: